Masindray: Tafita ny andro voalohany amin’ny Challenge U17 Orange-UCEF
Ny faran’ny herinandro teo no nanatanterahina ny andro voalohany tamin’ny lalao baolina kitra Challenge U17 Orange-UCEF, teny amin’ny kianja filalaovam-baolina teny Masindray. Ny ekipa avy ao amin’ny Buffalo sy ny Etoile filante no nifanandrina nandritra izany, ary nisaraka tamin’ny isa 0-0.
“Niady mafy ny ekipa nandritra ny lalao, niezaka niaro ny lazany ny klioba. Na dia hita mihendanja aza ireo mpilalaon’ny Buffalo, raha teo amin’ny ara-batana no jerena, mitaha amin’ny ekipa Etoile filante, rehefa tsara ny fanomanana dia tsy nanano sarotra ny niatrika ny fifandonana” hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny klioba.
“Ilaina hatrany ezaka amin’ny zavatra rehetra. Ary ny tsy tokony hatao ambanin-javatra mihitsy ny fanzara-tena, eo ihany koa ny fanarahana ny tenin’ireo mpanazatra. Any ihany no lakile ka rehefa any no tsara fiomanana, mora foana ny mahazo vokatra tsara ary tokony hamafisina hatrany izany” hoy I Toky, mpilalao baolina kitra.
Mila ezaka sy fiomanana ny fiantrehana ny lalao isan-karazany. Tsy eo amin’ny taranja baolina kitra ihany izany fa na amin’ny fifaninana samy hafa aza. Ilaina ihany koa ny mihaino sy manaraka ny torohevitr’ireo matihanina raha mitady vokatra tsara.
Manitra Ramanantsoa
