ActualitésTsidika

Ambohimanga Rova: Hisy ny hetsika « Garden Party lundi de paque »

Hisy ny hetsika lehibe « garden party » izay karakarain’ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanga rova, ny alatsinain’ny paska izao. Seho sy kilalao maro no ho hita ao an-toerana mandritra izany andro fitsangatsanganana izany, araka ny voalaza.

« Fotoana iray ahafahan’ny rehetra miala voly, na fianakaviana, ankohona na ihany koa mpinama io fotoana io. Maro ny lalao ho hita mandritra izany izay azon’ny rehetra andraisana anjara, hisy ihany koa ny fifaninana isan-karazany ary indrindra ny sakafo sy tsakitsaky eny an-toerana » hoy ireo mpikarakara.

 » Amin’ny maha fotoana fialam-boly azy izay, maro ireo zavatra hiseho. Misy araka izany ny fizarana loka amin’ireo fifaninana. Koa manentana sahady ny mponina eto Ambohimanga rova sy ny manodidina ho avy fa hafinaritra ny fotoana io » hoy hatrany ny fanazavana.

Marihina moa fa ao amin’ny tamboho Masindrano, Ambohitrandriamanjaka no hanatanterahana ity hetsika ity. Maimaim-poana kosa ny fidirana ao anatin’izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire