SocialTsidika

Ambohimangakely : Lehilahy namono eritreritra tamin’ny toaka tsy nahatsiaro tena

Lehilahy iray hita ny manodidina tsy natsiaro tena teo alohan’ny jovena Kely Amhimangakely eo akaikin’ny mpivarotra arina fandrehitra ny 30 aogositra lasa teo. Niara-namelona sy nijery ary namantatra izay nahazo ity rangahy ity ny manodidina rehefa nitangorina teo.

« Nahenoana fofona toaka ny vavany ka rehefa novelomina teo dia tonga saina ihany ka nifokofoko nitomany avy eo » hoy i Albert, mponina teny amin’ny manodidina. « Mety saika hamoy fo izy ianjadian’ny olana goavana hany ka ny toaka no vahaolana hitany ho mety » hoy i Raivo, isan’ny nanatri-maso teo. « Tsy ampy sakafo sy noana izy ka nividiananay dité sy mofo aloha hamerimberina ny ainy, mankasitraka ny mponina fa tena nifanome tanana tokoa izy ireo rehefa misy olona hafa tojo olana » hoy ny sefo fokontany Ambohimangakely.

Ny toaka no hita fa mahavaha olana, tsy ny olana indray ve no miditra aminao rehefa mandray azy ? Tsy vahaolana ny famonoana eritreritra rehefa tojo olana, ny fiatrehana azy am-pitoniana sy am-pilaminana no tena vahaolana ary avy eo mahita hevitra ho azy izany.

Nicole Rafakimananjara

Laisser un commentaire