SportTatitra

Inona moa ny « Jeux Paralympiques » ?

Lalao ara-panatanjahantena iraisam-pirenena lehibe ny « Jeux Paralympiques ». « Neurologue » iray antsoina hoe Ludwig Guttmann tao amin’ny hopitalin’ny Stoke Mandeville ao amin’ny faritr’i Buckinghamshire tsy lavitr’i Londres no nikarakara ity hetsika ity voalohany tao amin’ny hopitaly niasany ny taona 1948. Natao hoe « Jeux mondiaux des chaises-roulantes et des amputés » (« World Wheelchair and Amputee Gates ») izy tamin’izany alohan’ny nanovana azy hoe « Jeux de Stoke Mandeville ». Tao Rome no notanterahina ny andiany faha 9 tamin’izany ny taona 1960 tao aorian’ny «Jeux olympiques” izay nosokajiana ho ny «Jeux paralympiques» voalohany.

Lalao tanterahina in-efatra isan-taona ao aorian’ny « Jeux Olympiques » izy nanomboka teo ary handraisan’ireo mpanao fanatanjahantena manana kilemana rehetra anjara, na ara-batana na ara-tsaina. Tafiditra amin’ity fifaninana ity avokoa ny ireo lalao rehetra na « sport d’été » na « sport d’hiver ». Ny « Comité International Paralympique » kosa no mikarakara ny hetsika.

Laisser un commentaire