Ampanihy : Resy lahatra ireo lehilahy hiady amin’ny herisetra mifototra amin’ny vavy sy ny lahy
Miara-dalana amin’ireo mpisehatra amin’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny lahy sy ny vavy ireo lehilahy roapolo niova fo ao Ampanihy.
Mirongatra izay tsy izy ny herisetra mianjady amin’ny vavy sy ny lahy indrindra any amin’ny faritra Atsimo. Raha ny tahan’ny mpanao herisetra eo amin’ny fiaraha-monina no jerena, ny lehilahy no tena maro an’isa amin’izany. Tsy ny lehilahy rehetra kosa nefa no voafatotr’io fanaovana herisetra io fa misy ireo izay tonga saina ka resy lahatra hanatevin-daharana ireo efa eo am-perinasa. Lehilahy roapolo arak’izany no mandray anjara amin’ny herisetra mirongatra amin’ny lahy sy ny vavy miaraka amin’ny foibe mihaino sy torohevitra ara-dalàna ao amin’io distrika io. Raha ny rafitra ao anatin’ny tetikasa, lehilahy mihitsy no tian’ny mpamatsy vola Norvezy sy ny UFPA eto Madagasikara ho maro an’isa ao anatin’io tolona io.
Nitondra fanazavana lalindalina mikasika ity hetsika hisintomana ny lehilahy hiala tanteraka amin’ny fanaovana herisetra ity ny sekretera tompon’andraikitra amin’ity tolona ity : « Ny ady amin’ny herisetra eo amin’ny lahy sy ny vavy dia manome fahasahiranana vitsivitsy amin’ity faritra ity amin’ny firenena. Ny lanjan’ny kolontsaina dia midika fa ny herisetra toy izany dia heverina ho ara-dalàna, efa mahazatra. Misy fomba fanao izay, ho an’ny vondron’olona sasany, tsy ekena nefa misy eto ary amporisihin’ny kolontsaina mihitsy, » hoy i Mananikarivo Tsimandrazana, sekretera tompon’andraikitra. Na izany aza, tsy mahakivy ny lehilahy resy lahatra izany, satria « ny lehilahy sasany ao amin’ny fiarahamonin’izy ireo dia miaiky ny lafiny ratsy amin’ny fomba ara-kolontsaina ».
« Mampianatra azy ireo foana izahay ary mampianatra momba izay tokony sy tsy tokony ho atao. Manohy manao fidinana hatrany izahay ary manomboka manana valiny tsara », hoy hatrany i Mananikarivo Tsimandrazana. Notsindriany ihany koa fa zava-dehibe ny fampielezam-peo amin’ny fanamafisana ny hetsika fanaraha-maso : « Ny fampielezam-peo dia mitana andraikitra lehibe amin’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny vavy sy ny lahy(VBG). Ny fanindriana ireo hafatra lehibe sy ny fahita matetika amin’ireo fampielezam-peo ireo dia mety hahasoa ny lehilahy resy lahatra nefa koa ho an’ny tolona mihitsy ». Nilaza ny heviny tamin’ny alalan’ny mpitondra teny iray tamin’izy ireo kosa ireto lehilahy niova fo ireto : « Resy lahatra tanteraka amin’ny fampielezan-kevitra izahay ka izao manatevin-daharana ny mpikambana izao mba afahanay misarika ireo lehilahy mitovy aminay tsy hampihatra io herisetra io intsony. Raha ny fomba tany aty aminay kosa, efa maro ireo fikambanana no manao ny fanentanan momba ny fanafoanana ny fomba tany io. Vonona ny hiady izahay ka hitondra vokatra tsara ho an’ny Madagasikara ». Afaka ny hanana fanantenana amin’ny filaminana ho an’ny Madagasikara raha mitohy hatrany izao hetsika izao. Fa kosa tokony hiverenena ireo lalana mifehy ny VBG io, raha resaka fanolanana, famonoana vady na zanaka amin’ny tsy rariny dia ekena ny fampiharana ny lalana. Fa nisy kosa tranga sasantsasany teto amin’ny firenena izay tena hita fa rariny loatra amin’ny fanitsiana ny zanaka maditra kanefa dia voasazy fahatany. Mila fotoran’ny tomponandraikitra tsara aloha ny tena zava-misy marina » hoy kosa ny fanambarana nataon’i Vero, mpandinika ny fiaraha-monim-bahoaka.
Tsy voatanisa raha ny herisetra mifototra amin’ny vavy sy ny lahy mitranga manerana ny Madagasikara. Ny antony tena anaovan’ireo mpanao herisetra mihitsy no tokony faritana tsara raha te hanena sy hanafoana izany. Amin’ny alalan’io no afahana mandrafitra ny hevitra ao anatin’ny fampielezan-kevitra sy fanaparitaham-peo maro. Ary tokony eraky Madagasikara hatrany ambanivohitra any asiana azy ity avokoa satria amin’ireny toerana lavitra ireny no tsy tratran’ny fanentanana sy fampahafantarana ny fisian’izany VBG izany.
Tsangy Randriamampianina
