Tsiroanomandidy: Manameloka ireo zandary mamono Antandroy ireo Ray aman-dreny lonaka avy amin’ny foko Antandroy
Nivory ireo Ray aman-dreny lonaka avy amin’ny foko Antandroy izay miasa sy monina ao Bongolava.
Fanamelohana ireo zandary nitifitra Antandroy tao Ambaratabe no antony izany ary fanairana ny fitondram-panjakana amin’ny fitanilana ny fitondrana any an-toerana.
Raha averina tokoa ny tantara, nisy ny fitifirana andiana Antandroy maromaro tao an-toerana izay tsy fantatra mazava ny antony.
Raha ny fanambaran’ny zandrin’ny iray tamin’ireo maty : « Nosamborina ireo havanay, nidina tany an-tranomaizina ary notifirina tao Amboketraka. Fokonolona teny amin’ny manodidina no naheno poa-basy ary nampandre anay ». Tsy fitiavan’ny Ben’ny Tanana azy ireo tsotr’izao no antony fitifirana hoy hatrany ity farany. Raha ny fanambaran’ny zandary kosa : « Teo am-panafihana no lavo ireo antandroy ». Nandà izany anefa ireo Antandroy, nanamafy koa ireto farany fa tsy nisy mihitsy ny olana teo amin’izy ireo sy ny ben’ny tanàna.
Arak’izany dia hiroso amin’ny fanaterana fitoriana ny havan’ny maty sy ny fikambanana koa nanaitra sy nanao antso avo amin’ny fitondrana faran’izay haingana hamaha ity olana miverimberina matetika ity : « Tsy Malagasy ve izahay Antandroy no kasaina horoahina, aoka tsy hisy eto amin’ny Firenena intsony ny fanavakavahana. Farany hametraka fitoriana nohon’ny fandikan-dalàna manameloka ho faty mialohan’ny Famotorana sy Fitsarana izahay. Manome herinandro ihany koa hamahana faran’izay haingana ity olana ity. Tsy hijanona amin’izao rahateo izahay raha toa ka tsy misy ny vahaolana avy amin’ny fitondrana foibe ».
Raha ny hita hatreto, mitanila ny fitondrana ao Tsiroanimandidy. Tsy tia Antandroy ny Ben’ny Tanana araka ny filazan’ireto Antandroy ireto. Tsara jerena ny tranga toy izao, mbola ahitana fanavakavahana hatrany eto Madagasikara na efa aty amin’ny taona iraika amby roapolo sy roa arivo aza. Tsara indrindra raha ampidirina any anaty fandaharan-tsekoly mihitsy na anaovana fandaharana fanentanana mihitsy ity resaka ity. Ovaina dieny mbola kely ny toe-tsaina fa tsy mety ny fanavakavahana. Miainga amin’ny fifampiresahana sy fifanantonana hatrany ny vahaolana.
Tsangy Randriamampianina
