Antsohihy : Hanao tatitra amin’ny vahoaka ireo solombavambahoaka
Hanao tatitra ampahibemaso rahampitso any Antsohihy ireo solombavambahoaka dimy voafidy tao amin’ny faritra Sofia. Efa misy ny sora-baventy milaza izany tatitra izany any an-toerana.
« Tena andrasana mihitsy izao ny hiresahan’ireo solombavambahoaka mikasika ny fiakaran’ny vidim-piainana. Eo ihany koa ny vahaolana matotra efa naroson’ny Governemanta » hoy i Saholy, mponina ao Antsohihy. « Betsaka ireo marary amin’ny vahoaka. Ilaina ny vahaolana matotra amin’izany. Ao ireo fotodrafitr’asa mikatso, ny lalam-pirenena ratsy sy ny maro hafa » hoy ny sefom-pokontany iray ao Antsohihy.
« Atao amin’io sabotsy 08 janoary 2021 io ihany koa ny fifampiarabana tratry ny taom-baovao 2022 iraisan’ny solombavambahoaka dimy sy ny vahoaka ao Sofia. Raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany » hoy ny solombavambahoaka iray.
Efa manomboka mirongatra ao Antsohihy rahateo ny valan’aretina covid-19. Efa tafiakatra 20 mahery ireo marary any an-toerana. Ho tanteraka ihany ve ity fotoanan’ny vahoaka sy ny solombavambahoaka ity ?
Nicole Rafalimananjara
