ActualitésTsidika

Antalaha : Voafonja iray nikasa handositra

Voafonja iray tao Antalaha no nikasa handositra ny fonja. Voatifitra izy ary namoy ny ainy.

« Efa tafahanika teo amin’ny faritra mena ity lehilahy voafonja ity. Tsy maintsy nanapoaka basy izahay. Voa ny tanany, ary nifatratra tany amin’ny kibony » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny fonja. « Nanimbazimba ny fomban-drazana ity lehilahy ity. Izay no tena antony nampidirana azy am-ponja » hoy i Solange, mponina any an-toerana. « Sarotra ny fitsaboana azy. Sarotra ny nanala ny bala. Tsy tana intsony ny ainy na dia efa nanao izay azo atao aza izahay » hoy ireo mpitsabo nandray an-tanana ny fitsaboana.

Marihina fa miisa 157 ireo voafonja niaraka taminy tao amin’ny efitra faha 05. Izy irery ihany no nanam-pikasana ny handositra ny fonja. Inona no antony ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire