Fitiavan-tanindrazana : Mariky ny fitiavan-tanindrazana ny fanjifana ny vita Malagasy
Ny fitiavan-tanindrazana dia tsy ny fanoherana be fahatana ny kolontsaina na fanatsarana miainga avy any ivelany fa fahaizana mampiasa izany ho an’ny fanatsarana ny firenena. Hitarafana ny fitiavan-tanindrazana nefa ny fahaizana mandanjalanaja ny fanjifana ny vokatra avy any ivelany. Sehatra iray hitarafana ny fandrosoana ihany koa izany.
Anisan’ny mampivoatra ary mampikatra ny toe-karena ny serasera ara-barotra ao amin’ny firenena iray ny fanjifana ny vokatra vokariny. Manana vokatra maro ary tsara ny Malagasy, mariky ny fitiavana hampivoatra ny firenena ny fanjifana izany. Mampihena ny fanafarana avy ivelany izay misy fiantraikany eo amin’ny toe-karena izany ary mamorona asa ho an’olona samihafa ihany koa.
Mariky ny fitiavan-tanindrazana ny faniriana ampivoatra azy. Porofo iray mampibaribary maneho azy kosa ny fanatanterahana anjara asa sy fandraisana anjara samihafa ao aminy.
Hasina Rasamimanana
