ActualitésTatitra

Etats-Unis : Lehilahy iray no nitifitra basy tovovavy sendra nilalao teo an-tokotaniny

Tovovavy iray 14 taona sendra nanao an-kiafina no notifirin’ny lehilahy iray antsoina hoe David Doyle, 58 taona ny basy. Tao Louisiane no niseho ity tranga ity. Raha ny fanazavan’ny shérif tao Calcasieu dia niafina tao amin’ny faritry ny tranon’io lehilahy io ilay tovovavy ka nahatonga azy nitifitra.

Voa teo amin’ny lohany ilay tovovavy manoloana izany saingy tsy ahatahorana ny ainy raha ny fanamafisan’ny shérif. Nilaza kosa i David Doyle fa tsy nanam-poa ho ankizy nilalao no nifamezivezy tao an-jaridainany. Raha ny filazany dia nahita aloka nivezivezy tao ivelan’ny tranony izy ary nihevitra izany ho olon-dratsy ka nandray ny basiny ary nitifitra avy hatrany.

Taorian’ny fanadihadiana kosa dia notanana am-ponja vonjimaika ilay lehilahy io ary voaheloka nanao fanafihana nitam-piadiana.

Laisser un commentaire