SocialTsidika

Fifamoivoizana : Zotra roa aloha no hanombohana ny tetik’asa teleferika

Zotra roa no hanombohana ny tetik’asa fitaterana an-tariby eto Antananarivo. Niteraka resa-be teny amin’ny fiarahamonina sy ny teto amin’ny tambajotran-tserasera tokoa ity resaka ity.

« Handalo ireo toerana fivezivezena isan’andro ny teleferika. Ireo toerana sarotra ampifandraisana sy misy fitohanana lavareny no ilàna azy » hoy ny tompon’andraikitra. « Eo ny zotra volomboasary, izay mampitohy an’Anosy sy Ambatobe. Eo ihany koa ny zotra maitso mampifandray an’Anosy sy Ankatso. Izany dia hampitohy sy hanamora ny fivezivezena mampifandray toerana misy sekoly sy oniversite, birao sy toeram-piasana isan-karazany » hoy ny avy ao amin’ny orinasa manamboatra azy. Tetsy an-kilany, nanamafy ny filoham-pirenena Malagasy fa vahaolana mahomby indrindra manoloana ny fitohanan’ny fifamoivoizana ity tetik’asa ity. « Efa mitombo loatra mantsyo ny mponina eto an-drenivohitra » hoy hatrany izy.

Toerana miankina amin’ny Fanjakana avokoa ny hametrahana ireo gara 12 isa. Tena hamaha ny olan’ny fifamoivoizana tokoa ve io fitaterana io ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire