Tsidika

Ny hisian’ny fandrim-pahalemana maharitra no tanjona.

Mbola manjaka eto amintsika ny tsy fandriam-pahalemana. Ny sehatra misahana izany  no mila hamafisina bebe kokoa mba hisian’ny filaminana eto amin’ny tany sy ny firenena. Efa manao ny asany sy miezaka hatrany ireo mpitandro filaminana Malagasy, kanefa mila tosika sy fanampiana izy ireo mba hanamorana ny asany. Nandray ireo Kaomandin’ny Zone de Défense et de Sécurité teny amin’ny Etamazaoron’ny Tafika Andohalo ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotonirina Richard sy ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika,ny jeneraly Rabenaivoarivelo Jean Claude. Ny  09 Martsa 2021 no nisian’izany fihaonana izany. Nanamafy ny maha zava-dehibe ity rafitra ity ary ny asa miandry azy ireo ny Minisitra. Tanjona manomboka izao  ny hisian’ny fandriampahalemana maharitra manerana ny Nosy hoy hatrany ny Minisitra. Nazavainy nandritra izany ihany koa ny antony nanafoanana ny Faritany Miaramila fito taloha ka nananganana ny « Zone de Defense et de Sécurité » folo (10) vaovao. Azo antoka amin’izay ary ve ny hisian’ny fandriam-pahalemana manomboka eto ? Hahavita hihary tsara amin’izay izany ny vahoaka ka tsy hisy hisopatra intsony ireo fananany ? 

Laisser un commentaire