Avadradrano: Hisy ny varavarana misokatra mahakasika ny hetra
Hisy ny varavarana misokatra hiresahana manokana ny mahakasika ny ivon-ketra eto Avadrano, ny zoma 10 Martsa izao, eny amin’ny biraon’ny kaominina Sabotsy Namehana. Ho valiana ao anatin’izany avokoa ireo fanontaniana mahakasika ny hetra sy ny olana manodidina izany, rah any voalaza.
“Natao indrindra ho an’ireo manana olana amin’ny resaka fandoavan-ketra ity varavarana misokatra ity. Azo atao tsara ny mametraka ireo fanontaniana manitikitika ny saina manodidina ny hetra sy ireo zavatra tsy mazava na tsy ao anatin’izany” hoy ny avy amin’ny ivon-ketra Avadrano.
“Ho avy hitondra fanazavana mandritra io fotoana io ireo mpiasan’ny ivon-ketra eto avaradrano, hamaly ireo fanontaniana, hamaha ny olana mahakasika io hetra io koa manentana sahady ny mponina ho tonga maro satria zava-dehibe ny fanatrehana izany” hoy hatrany ny fanazavana.
Anisan’ny olana sedrain’ny kaominina tokoa ny fanentanana ny mponina amin’ny fandoavan-ketra. Zava-dehibe araka izany ny fanatrehana ny fotoana tahaka izao mba hahafantarana sy hahafahana mampitombo fahalalana mahakasika ny tontolon’ny hetra.
Manitra R.
