ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Hisy ny fidirana manokana ho an’ny fiofanana ny taranja informatique ao amin’ny kaominina

Mitohy ny fianarana ny taranja informatique, izay atolotry ny kaominina Ambohimangakely maimaim-poana ao an-toerana. Hisy ny fidirana manokana ho an’ireo tsy naharaka na nanana olana tamin’ny fanarahana ny fianarana ity taranja informatique ity, raha ny voalaza.

 « Noho ny fangatahan’ny be sy ny maro dia misy ny fidirana vaovao speciale dimanche ho an’ ireo rehetra tsy afaka mianatra ny sabotsy na koa ny andavanandro amin’ny fiofanana maimaim-poana izay atolotry ny kaominina, maro ny tsy tafiditra tamin’ny fianarana informatique andiany voalohany teo » hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.

« Maimaim-poana hatrany ny fianarana fa kosa mba ahafahana manenjika ny ireo lesona ao anatin’ny fotoana fohy dia misy boky jifaina amin’ny vidiny mirary. Ireo taranja ianarana ihany koa izay tena maro toa ny Microsoft office word,excel,power point,publisher, one note, dactylographe,internet sy ny maro hafa » hoy hatrany ny fanazavana.

Natao ho an’ny sokajin-taona rehetra ary tsy mifidy moa na mbola mpianatra na olon-dehibe ny fanarahana ny fiofanana izay atolotry ny kaominina ity. Marihina anefa fa voafetra ny toerana ao amin’ny fianarana ary misy ny fisoratana anarana mialoha tsy maintsy atao.

Manitra R.

Laisser un commentaire