ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Nametra-pialana i Liz Truss

Nanao fanambarana ny praiminisitra britanika Liz Truss ny alakamisy teo fa hiala amin’ny andraikiny. Raha tsiahivina dia vao ny 6 septambra teo izy no nisahana io toerana io. Tsy nahafa-po ny mpiara-miasa taminy ny fitantanana ara-politikany hiatrehana ny krizy iraisam-pirenena. Nifandimby niala noho izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajany tao amin’ny governemantany. Anisany ireo niala farany tao anatin’izany ny minisitrin’ny atitany, Suella Braverman.

Manetraka an’i Liz Truss eo amin’ny toeran’ny praiminisitra nitantana vetivety indrindra teo amin’ny tantara io fialàny io. Nanambara kosa izy fa hisy ny latsa-bato hanendrena izay handimby azy amin’iny herinandro ho avy iny.

Laisser un commentaire