Actualités

Indonésie : Horavana ilay kianja nahafaty olona an-jatony ao Malang

Raha tsiahivina dia olona 133 no maty nohon’ny fifanosehana tao amin’ny kianjan’ny Kanjuruhan ao Malang ny voalohan’ny volana oktobra teo. Manodidina ny 40 ny zaza namoy ny ainy nandritra izany ary mandra-piandry ny valin’ny fanadihadian’io loza io dia natsahatry ny governemanta ny lalao ao amin’ny kianja.

Nanambara nefa ny filoha ao an-toerana, Joko Widodo fa harodana ny kianjan’ny Kanjuruhan. Tsy tokony hanahy nefa ireo mpankafia baolina kitra ao amin’ny firenena hoy io tompon’andraikitra io fa haverina hatsangana arakin’ny fenitrin’ny FIFA ny kianja. Tetsy ankilany dia nanome toky ny filohan’ny FIFA, Gianni Infantina fa hanosika ny baolina kitra ao Indonésie.

Laisser un commentaire