ActualitésTsidika

Betatao: Zandary iray nitifi-tena tamin’ny basy

Zandary iray miasa ao amin’ny zana-tobim-paritry ny Zandarimaria ao Betatao no maty namono tena. Olana ara-pitiavana no voalaza fa nahatonga azy namoy fo. “Efa hatry ny ela no nisy ny olana ara-pitiavana teo aminy ka nahatonga azy namoy fo. Ny feon’ny tifitra no nanaitra anay” hoy ireo namany. “Niditra avy ao amin’ny vavany ny bala ary nivoaka tany amin’ny lohany aoriana. Manana zanaka vavikely 7 taona sy lahikely 8 volana izy izao nodimandry izao. 31 taona izy izao namoy ny ainy ity” hoy ny lehiben’ny toby nisy azy. Tampoka ho an’ireo mpiara-miasa taminy noho izany izao fahalasany izao. Mbola tao anatin’ny fahatanorana tokoa ity Zandary ity izao namoy fo izao.

Laisser un commentaire