ActualitésTatitra

Belgique : Zaza enim-bolana maty nampijaliana tany amin’ny « crèche »

Tonga tao amin’ny « crèche‘t Sloeberhuisje » na toerana fitaizana zaza iray tao Mariakerke ny mpamonjy voin’i Belgique rehefa naharay antso tsy fahatsiarovan-tena zaza iray. Rehefa tonga izy ireo dia nentina tany amin’ny hopitaly ilay zaza saingy namoy ny ainy.Ny ratra nahazo azy no nahafaty io zaza enim-bolana io raha ny voalazan’ny tompon’andraikitra, naratra mafy tao amin’ny lohany (traumatisme crânien) io zaza io ary nanambara ny fizahana natao taminy fa tratran’ny « syndrome du bébé secoué » izy.Olona telo taorian’izany no nanaovan’ny polisy fanadihadiana, mpitanatana sy ny mpiasan’ny « crèche » ary ny rain’ny mpitantana. Vetivety ihany dia navotsitra ilay mpiasa, navotsitra saingy arahina maso kosa ny mpitantana ary noampaingana namono ny zaza ny rain’ny mpitantana. Antony ireo ray aman-dreny efa nanao fitarainana niampanga azy hatramin’ny taona 2015.

Laisser un commentaire