République Démocratique Congo : Manomboka mitebiteby indray ny olona ny amin’ny fipoahana volkano
Efatr’andro lasa izay no nisehoana fipoahana volkano tany an-toerana. Nitrangana fihetsiketsehan’ny tany nahery vaika indray ny talata 25 may tany Goma, tsy lavitra ilay volkano Nyiragongo tany atsinanan’i République Démocratique du Congo. Manomboka miahiahy indray ny vahoaka ny mety hisian’ny fipoahana vaovao indray. Tsy latsaky ny 13 ny maty taorain’iny fipoahana volkano tany Congo ny asabotsy alina lasa teo iny. Mahatratra 2 500 ny olona rava trano. Nahitana horohoron-tany nandritra ny 10 hatramin’ny 20 minitra be izao indray anefa omaly. Trano misy rihana telo indray no nianjera vokatr’izany izay naharatran’olona tsy latsakin’ny 7 hoy ny polisy tonga teny an-toerana. Nahitana lavaka be ihany koa vokatry ny horohoron-tany tany andrefan’ny tanàna. Miaina anaty tahotra amin’ny mety hisian’ny fipoahana manaraka indray ny mponina hoy ny mponina iray. Nanomboka tamin’ny 11 ora sy sasany alina (alarobia 1H30 maraina teto amintsika) teo izay ny fihozongozon’ny tany. Manentana ny olona ho mailo hatrany ny governemanta any Congo ka efa noesorina teo amin’ny fonenany ireo olona monina anaty faritra mena.
