ActualitésTsidika

Mandroso ny fanamboarana ny Tanamasoandro eny Imeritsiatosika

Miezaka hatrany ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana ireo velirano natao nandritra ny fampielezan-kevitra. Iray tao antain’ireny velirano napetraky ny filoha ireny ny tetikasa “tanamasoandro”. Fampanantenana izay napetraky ny filoha fa ho havaozina sy ho hatsaraina avokoa ireo trano eto andrenivohitra. Nanambara ny ministra lefitra fa eo andalam-panatanteraha io tetikasa “tanamasoandro” io ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana. Efa miroso tsikelikely izany fanamboarana izany eny Imeritsiatosika araka ny nambarany hatrany. Araka ny nambarany hatrany, vinaniana ho vita ao anatin’ny roa taona ny fanatanteraha ity tetikasa iray ity. Tena tafiditra ao anatin’ny filan’ny mponina ve izany ? Hatreto toa mbola miady amin’ny fahatapahan-jiro sy tsy fisian-drano ireo vahoaka eto andrenivohitra. Tsy aleo ve aloha ny kalitaon’ny famatsiana ireo filàna fototry ny mponina no hatsaraina ? Raha vita ihany koa, natao ho an’iza ? Raha tena fampandrosoana marina no tadiavina, tsy tsara ve raha ireo vahoaka madinika aloha no jerena akaiky izay vao miroso amin’ny zavatra toy izao ?

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire