ConseilTsidika

Fitaizana vatana: Ireo fomba 10 tsara atao raha te hanana bika tsara

 Maro amin’ireo tanora na tovovavy na renim-pianakaviana manana vina hikarakara vatana, ho tsara bika amin’izao taona vaovao izao. Mila finiavana sy fahazarana ary fitaizam-batana anefa raha te ho tonga amin’izany. Ireo misy torohevitra 10 tsara arahana raha te hanana izany bika tsara izany.

Voalohany, Raha vao mifoha maraina dia misotro rano 1 na 2 vera. Azo atao tsar any misotro rano mafana na rano mangatsika, araka ny fahazaran’ny tsirairay. Ao anatin’ny iray andro dia tokony hahalany rano 1litatra farafahakeliny.

Faharoa, mipetraka eo ambony fandriana avy eo ary manao paozy ohatry ny manao yoga, izany hoe atao croisé ny tongotra mandritra ny 2 mn eo ho eo na mihoatra vao maika tsara raha manana fotoana betsaka. Ity fihetsika ity dia tsara atao foana isa-maraina vao mifoha ireo mba hampivelatra ny hanche ary hampisy ilay bikam-behivavy mivelatra tsara, tsara koa io ho an’ny vehivavy mbola tsy niteraka na bevohoka mba ho an’ny fiterahana.

Manaraka izany, manao fitness isan-kerinandro ao antrano, raha afaka manao indroa ao anatin’ny herinandro dia tena tsara fa mila maka fotoana malalaka tsara sy tsy misy mpanelingelina ary koa mila saina mifantoka tsara amin’ny zavatra atao. Mandeha mihazakazaka indray mandeha isankerinandro mandritra ny 30 min farafahakeliny ary manao tsemboka tsara ny vatana. Tsy mihinana sakafo matavy loatra ary ahena ny fihinana zava-mamy, raha mety dia tsy mihinana siramamy intsony

Ampitomboina ny fihinanana legioma. Atao kelikely sira ny laoka, raha mety dia rehefa masaka vao manisy sira fa ny sira manta no tsara ho an’ny vatana. Tsy misakafo anelakelam-potoana fa afaka mihinana voankazo betsaka ary farany dia tsy atao ambanin-javatra ny fisotroana rano. Mila misotro rano betsaka.

Laisser un commentaire