ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Misy ny fanadiovana sy fanavaozana ny lakan-drano

Manomboka ny asa sy ny fitsidihana ifotony ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Tamin’ity herinandro ity, natomboka ny asa fanadiovana sy fanavaozana ny lakan-drano ao an-toerana.

« Asa fanadiovana sy fanamboarana foto-drafitr’asa toy ny fanamboarana lakan-drano sy sisin-dalana ary ireo lalana misy lavaka ny tomponandraikitra. Manomboka eo amin’ny rond point Ambohimahitsy hatrany Ikianja izany asa izany » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« EFa ela no tokony natao izao asa izao. Efa ela ihany koa ny mponina no nitaraina momba ireo lalana ratsy eto an-tanàna. Maniry ny mponina mba hitohy izany fa tsy hijanona hatreo ihany satria maro ireo fahasimbana raha resaka lalana eto » hoy i Anja, mponina ao Ambohimangakely.

Marihina moa fa fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny ministeran’ny asa vaventy ary ny masoivoho japoney ho an’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena no nampisy izao asa fanamboarana izao.

Laisser un commentaire