SocialTatitra

Ukraine: Telo lahy maty an-drano, noho ny fitsoahana amin’ny fifindra-monina

Vatana mangatsika telo no nampiakarina tao amin’ny renirano iray manasaraka ny firenena amin’ny Roumanie ity izay malaza ho fandehanan’ireo mpitsoa-ponenana mitady lalana hitsoaka noho ady sy ny herisetra ara-tafika any Ukraine amin’izao fotoana. Ao Ukraine, ny vatan-dehilahy manomboka 18 taona ka hatramin’ny 60 taona dia tsy manan-jo hivoaka ny firenena. Nanomboka hatramin’ny nisian’ny sahotaka tamin’i Russie anefa, ny volana febroary 2022, dia maro ireo vatan-dehilahy no mitsoaka, misy ny ara-dalàna amin’izany ary misy ihany koa ny tsia, noho ny fanerena ara-tafika. Nihanitombo isan’andro izany trangana fitsoaha-ponenana izany ary nihamafy ihany koa ny fanetsehana ireo tafika etsy an-kilany, nataon’ity firenena ity. Vokany, misy ireo maty eny ampitsoahana.

Laisser un commentaire