ActualitésTatitra

Canada : Polisy roa mitaky 100 000 dolara amin’i Guy Ouellette

Mangataka vola mitentina 100 000 dolara amin’i Guy Ouellette ireo polisy roa izay voalaza fa nanao ny famotorana sy fanadihadiana momba ny Unité permanente anticorruption (UPAC) izay nisamborana azy. Nametraka fitoriana ny 14 may lasa teo i André Boulanger sy ny vadiny Caroline Grenier-Lafontaine tompon’andraikitra taoa main’ny UPAC teo aloha. Niditra an-tsitrapo tamin’ny fanenjehana ireo mpanao herisetra izay nahazoana 550 000 dolara izay ireo ny novambra 2018. Io izay nataon’ny governemanta Québec ho fanenjehana an’ilay depiote Guy Ouellette. Nilaza ity depiote ity tao anatin’io fanenjehana io fa tsy ara-dalàna ny fisamborana natao azy ny oktobra 2017 momba ny fivoahan’ny antotan-taratasy sarobisy teny amin’ny haino aman-jery, nandritra ny fandihadiana momba ny “Projet A” an’ny UPAC izay mbola notantanan’i Boulanger mivady. Tsy nisy antony tokony niampangana azy noho izany. Ireo polisy roa izay nalefan’ny kabinetran’ny mpisolovava Guy Bertrand nilaza fa tena nanao hadisoana i Guy Ouellette ka mitaky vola amin’ity depiote ity izy ireo amin’izao fotoana.

Laisser un commentaire