Canada: Iandraiketan’ny fitsarana ao an-toerana ny mikasika ny fiaramanidina Boeing voatifitra tao Iran tamin’ny janoary 2020
Niniana natao ary mifono hetsika fampihorohoroana ny tifitra balafomanga roa nataon’i Iran hanoherana ny fandehan’ny sidina United Airlines tamin’ny 8 janoary 2020, araka ny nambaran’ny fitsarana ao Canada. Ny fanapahan-kevitra noraisina ny alakamisy 20 may teo no nanome alalana ny fitakiana onitra ho an’ny fianakavian’ireo tra-boina. Ny fitsarana ao Canada no mandray an-tanàna ity raharaha fampiorohoroana natao’i Iran ity. “Fitsarana sy fanapahan-kevitra mbola tsy nisy teo amin’ny fitsarana ambaratonga ambony any Ontario ny lalàna nivoaka tamin’ity hetsika iray ity” hoy ny mpisolovava ireo tra-boina Mark sy Jonah Arnold tao anaty fanambarana iray nataony. “Hisy fiatraikany lehibe amin’ny fianakavian’ireo niaram-boina izay mbola mitaky ny fahamarinana iny didy noraisin’ny fitsarana ao Canada iny” hoy hatrany izy ireo. Ny fanambaran’izy ireo hatrany koa no nahafahana nandray ny fanapahan-kevitra amin’ny fahafahana mitaky onitra amin’i Iran. Mitaky onitra 1,5 miliara dolara noho izany ireo mpitory miaraka amin’ny zavatra simba.
