Cameroun : Hain-tany ao Waza, faritra avaratra.
Iharana hain-tany mahery vaika any avaratr’i Cameroun amin’izao fotoana izao. Tsy misy ny vokatra avy amin’ny fambolena, ritra ny rano, manomboka ripaka ihany koa ireo voro-manidina. Mitaraina ireo mponina ao Waza fa mijaly, indrindra amin’ny ara-tsakafo. Raha intelo isanandro izy ireo no nisakafo taloha dia zara raha indray mandeha isanandro amin’izao. Tsy mbola naharay fanampiana avy amin’ny fanjakana na avy any ivelany ny mponina hatramin’izao ka velo-taraina ny mba hanampiana azy ireo.
