Algérie : Miverina mandray ny andraikiny ny filoham-pirenena rehefa tsy hita nandritran’ny telo volana.
Manenjika ny fotoana very ny filoha ao Algérie, Abdelmadjid Tebboune, nandritra ny kabary izay nataony ny alakamisy 18 febroary lasa teo. Nanambara izy fa handray an-tanana indray ireo fandaharam-potoana politika izay nikorontana noho ny fisian’ny covid-19. Ny fizarazaran’ny antenimieram-pirenena sy ny fiantsoana amin’ny fifidianana solombavambahoaka izay ho tanterahina amin’ny daty tsy mbola voatondro no fanambarana nataony tamin’izany. Io fifidianana io izay mampisalasala ny fikambanan’ny parlemanta satria feno kolikoly sy fifidianan-tseza ary hosoka izay hita tamin’ny fifidianana teo aloha. Tokony nandray an-tanana io raharaha io manonkana ity filoham-pirenena ity fa saingy narary izy ka tany amin’ny hopitaly nandritran’ny telo volana. Ity faharariana ity izay nampametra-panontaniana ny olona ny amin’ny fomba fiasany sy ny fandraisany andraikitra amin’ny raraham-pirenena.
