Etats-Unis : Ny trano lava mahia indrindra
Ao New York no misy ny 111 West 57th Street Tour na Tour Steinway, trano lava mahia indrindra. 435 metatra ny ahavon’ity trano ity, 18 metatra monja ny sakany ary misy rihina 82. Nanomboka ny taona 2015 ny fanamboarana azy nitsahatra tamin’ity taona 2021 ity, efa nisokatra ny taona 2018 izy no nisokatra.Ao anatin’ireo trano avo indrindra ao New York ihany koa izy ary naharesy ny Highcliff ao Hong Kong. Misy efitra 60 ny trano izay hofaina amin’ny vidiny 50 tapitrisa euros ny iray. Ny WSP Group, Jaros, Baum & Bolles kosa no namolavola azy.
