ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nisy ny fampiofanana mikasika ny fambolena sy ny fiompiana

Tontosa ny 17 May ny fampiofanana ireo sefom-pokontany sy ireo lehiben’ny vakim-paritra ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Fiofanana miompana amin’ny fambolem-bary sy ny fiompiana ao amin’ny faritra no natao tamin’izany.

« Tety amin’ny Fafiala Ambohimangakely no nanaovana ny fiofanana. Fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny faritra Analamanga tamin’ny alalan’ny DRAE izay avy ao amin’ny Ministera ity natao ity » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. « Fampiofanana mivoatra manaraka ny toetr’andro no natolotra ireo mpiofana teto. Ho entina hanampiana betsaka ny mponina hivoatra hatrany ao anatin’ny tontolo misy azy » hoy ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fambolena sy ny Fiompiana.

Manana anjara toerana lehibe ao amin’ny toe-karena Malagasy tokoa ny sehatry ny fambolena sy fiompiana noho ny 75 % amin’ny Malagasy, izay saika misehatra amin’io avokoa. Isan’ny paik’ady mahabetsaka ny vokatra ny fampanarahana ny fenitra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire