ActualitésSocialTsidika

Ankadikely Ilafy: Maherin’ny 225 isa ireo zazalahy kely vita hasoavana

Tontosa soa amantsara ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny kianja Fifankatiavana, ny hetsika didim-poitra faobe, ho an’ny taona 2023 ity, tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Zazalahy kely maherin’ny 225 isa no vita hasoavana nandritra ireo hetsika izay nataon’ny kaominina, araka ny voalaza.

“Tontosa antsakany sy andavana ny didim-poitra faobe 2023 izay nokarakarain’ny kaominina ho an’ny mponina. Ity androany (sabotsy) ity ihany koa no mamarana ny hetsika ho an’ity taona ity. Izany dia hisaorana ireo rehetra niara-niasa sy nifanontrona hatrany tamin’ny kaominina tamin’ny fanatontosana ireo hetsika nandritra ity taona ity” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Anisan’ny fanampiana lehibe, indrindra ho an’ireo sahirana ny hetsika atolotry ny kaominina tahaka izao. Manamaivana ny fahasahiranana raha jerena ny fahasarotan’ny vidim-piainana ankehitriny ka dia hisaorana ireo tomponandraikitra amin’ny fanampiana sy ny fanohanana hatrany ny mponina” hoy i Donné, raim-pianakaviana.

Marihina moa fa maimaim-poana avokoa ireo hetsika didim-poitra izay natolotry ny kaominina nandritra izany. Ankoatra izany, dia nozaraina kilalao ihany koa ireo zazalahy vita hasoavana.  

Manitra R.

Laisser un commentaire