ActualitésTatitra

Maurice : Hiara-hiasa amin’ny fiarovana ny angon-drakitra ny National Committee on Corporate Governance sy ny Data Protection Office

Hisy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny National Committee on Corporate Governance (NCCG) sy ny Data Protection Office (DPO). Ho tanterahina izany mba ahafahan’ireo andrim-panjakana roa ireo hampiroborobo ny fitantanana ny angon-drakitra sy ny fiarovana ny zon’ny olona hanana fiainana manokana (droits à la vie privée).

Handrakotra sehatra fiaraha-miasa samihafa io fifanarahana io raha ny fanazavana. Ankoatra ny fampiroboroboana ny fiarovana ny zon’ny tsiambaratelon’ny tsirairay sy ny fiantohana ny fitantanana tsara ny angon-drakitrin’ny sehatra mianikna na tsia dia hanangana fitaovana, antontan-taratasy ary torolalana hitantanana ny angon-drakitra ao anatin’ny orinasany ihany koa izy ireo.

Hisy ihany koa ny fiaraha-miasan’ny roa tonto amin’ny famoronana sy ny fampiroboroboana ny « forum de mise en réseau » ho an’ny mpiandraikitra ny fiarovana ny angona, ny fikarakarana atrikasa, seminera ary valan-dresaka mifandray amin’izany.

Laisser un commentaire