ActualitésTatitra

Maurice : Firenena fahadimy aty Afrique manana « salaire minimum » ambony indrindra

Firenena fahadimy manana karama farany ambany (salaire minimum) ambony indrindra aty Afrique ny nosy Maurice. Marihana nefa fa maro ny aty Afrique no tsy manana io foto-kevitra momba ny karama farany ambany io ao amin’ny lalàny.

Isan’ireo manana izany kosa i Seychelles, izay misy mponina manodidina ny 96 387, ary manana « salaire minimum » eo amin’ny 5 750 Roupies seychelloises (Ar 1 950 000) eo raha manodidina ny 9 680 Roupies seychelloises (Ar 3 285 000) kosa ny « salaire moyen ». Mametraka azy eo amin’ny firenena laharana voalohany aty Afrique izany. Manaraka azy kosa i Maroc izay manana « salaire minimum » eo amin’ny 3 580 Dirham (Ar 1650 000) eo ho eo ; arahin’i Libye kosa izy miaraka amin’ny sanda 1 584 Dinar lybien (Ar 1 490 000) ; i Gabon no eo amin’ny laharana fahaefatra amin’ny « salaire minimum » 155 700 Franc CFA (Ar 1 170 000) ary manaraka azy i Maurice izay tsy mifanalavitra amin’ny sanda 11 575 Roupies mauriciennes (Ar 1 160 000). I Afrique du Sud kosa no manarakaraka ny nosy Maurice izay manana « salaire minimum » 4 650 Rands (Ar 1 110 000).

Laisser un commentaire