Mahajanga : Tratran’ny polisy ny lehilahy sady mpanolana no mpanindrona antsy vehivavy
Lehilahy 27 taona, mpisoloky, mpanolana, ary mpanatsatoka antsy vehivavy ao Mahajanga no tratran’ny polisy rehefa nokarohina taorinan’ny fitarainana maro voaray mahakasika azy.
« Mandrebireby ireo tovovavy amin’ny alalan’ny fandresen-dahatra io lehilahy io. Milaza izy fa mahita asa mety amin’ilay tovovavy ka entiny manaraka azy raha manaiky ilay vehivavy, avy eo anefa dia any amin’ny teorana mangingina no hitondrany ilay vehivavy, ka tereny hiaraka aminy, rehefa tsy manaiky dia tsatohany antsy ny tendany » hoy ny mpitandro filaminana. « Efa fitarainana telo mahakasika io tranga io no voaray teto amin’ny polisy nahatonga ny fikarohana azy. Nisy vokany izany rehefa natao ny fanadihadiana sy ny fikarohana azy dia tra-tehaka ihany no farany ary ho fahizina araka ny lalàna manan-kery » hoy ny avy ao amin’ny polisim-pirenena Mahajanga
Tsy kely lalana tokoa ny ratsy, ary ahitana karazana fisolokiana amin’ny endriny maro mba ahazoana tombotsoa manokana, indrindra amin’izao fotoana izao. Tokony ho mailo hatrany ary hampandre ny manam-pahefana raha vao misy tranga hafa hafa mba hisorohana ny loza isan-karazany.
Manitra Ramanantsoa
