ActualitésTatitra

Iran : Manana mpilalao « échecs » sangany ihany koa ny firenena

« Grand maître » amin’ny lalao « échecs » i Ehsan Ghaem Maghami. Teraka ny 11 janoary 1983 tao Téhéran izy, ary manambady « Grand maître » vehivavy amin’ny lalao « échecs » ihany koa, dia i Shayesteh Ghaderpour.

Efa nandray anjara tamin’ny fiadiana ho tompondaka iraisam-pirenen’ny lalao « échecs » nokarakarain’ny federasiona iraisam-pirenena i Ehsan Ghaem Maghami tamin’ny taona 2000 sy 2004. Efa nandray anjara tamin’ny tompondaka iraisam-pirenena hafa ihany koa izy ny taona 2005 sy 2007 ary 2009.

Laharana fahadimy amin’ireo mpilalao « échecs » ao Iran i Ehsan Ghaem Maghami izay manan isa 2 537 amin’ny classement Elo.

Laisser un commentaire