ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Hisy ny fitiliana diabeta maimaim-poana

Hisy ny hetsika ara-pahasalamana maimaim-poana ao amin’ny kaominina Ambohimangakely, ny sabotsy 1 jona 2024. Fitiliana diabeta maimaim-poana sy didim-poitra faobe no hiseho mandrita izany, araka ny voalaza.

« Aretina mahafaty ny diabeta raha tsy fantatra mialoha sy tsy voatsabo ara-potoana. Izany indrindra no hanentanan’ny kaominina ny rehetra ho tonga amin’ity fotoana ity satria zava-dehibe ho an’ny fahasalamana izany » hoy ireo avy amin’ny kaominina.

« Ny olon-drehetra dia mety hisy diabeta avokoa. Izy io moa dia aretina noho ny tsy firindran’ny tahan’ny siramamy ao anatin’ny vatan’olombelona. Matetika ireo olona manana vatana ngeza no tena tratrany kanefa noho ny zava-misy amim’izao fotoana, ny sakafo sy ny tsy fanaovana fanatanjahan-tena dia mety ho tratran’izany ny sokajin’olona rehetra » hoy i Fy, mpianatra ho mpitsabo.

Ao amin’ny CEG Ambohimangakely moa no hanaovana ity hetsika ara-pahasalamana ity. Hanomboka amin’ny 7ora maraima izany.

Laisser un commentaire