ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Hetsika mitohy ny fanadiovana ny tanàna

Nisy ny hetsika fanalana ireo fako rehetra nitoby tao amin’ny fokontany Anosy Avaratra sy Ambohitrinimanga ny faran’ny herinandro teo. Hetsika izay notarihin’ny avy ao amin’ny kaominina, entina hanadiovana sy hisarihana ireo mponina hitandro ny fahadiovana.

« Ny fandraisanan’andraikitry ny avy eo anivon’ny kaominina amin’ny fitarihana ny vahoaka hikajy ny fahadiovana no zava-dehibe indrindra satria rehefa mahita ny hetsika ataon’ny lehibe ireo vahoaka dia manaraka ho azy ireo fihetsika ka zary fanabeazana ho an’ny mponina » hoy i Rafidy, mpahay fiaraha-monina.

« Hirariana ny fitohizan’ny hetsika mba hananana tanàna madio sy mahate honina, mba ho fitaratra ho an’ireo kaominina hafa » hoy ny tomponan’andraikitra misahana ny fahadiovana.

« Zava-dhibe ny fampandraisana anjara ny vahoaka amin’ny fanadiovana ny tandrify azy, tokony ny tsirairay no mangona sy mintatana ny fakony isan-tranony » hoy i Tsiry, renim-pianakaviana, mponina ao Ambohitrinimanga.

Mbola hisy hatrany ny tohin’ny hetsika fanalana ny fako ho an’ny fokontany Faravohitra. Nanentana ny tomponan’andraikitra fa tsy tokony havala hisavovona ny fako vao handraisana fepetra, sarotra ny manala ny fako raha vao miangona loatra na tara ny fanalana azy.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire