Ambohimanambola : Nifanampy tamin’ny Madarail sy ny Somatrafer tamin’ny fanadiovana ny tanàna
Nirotsaka an-tsehetra nanadio ny lalamby tao amin’ny kaominina Ambohimanambola ireo tomponandraikitra ao an-toerana, niaraka tamin’ny orinasa Madarail sy ny Somatrafer, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra indrindra ao anatin’ny tetikasa fahadiovan’ny tanàna na ny Raoka fako napetraky ny ben’ny tanàna ao an-toerana, ity tetikasa iarahana amin’ny Madarail sy ny Somatrafer ity, araka ny voalaza.
“Aorian’ny fanadiovana sy ny fanatsarana izay hatao dia anjaran’ny servisy Rano Fanadiovana-Fidiovana no mampiatra ireo paikady sy fepetra rehetra hitandrovana ny fahadiovana. Rehefa tsy miparitaka ny fako ary tsy misy fako ventiny ny rano izay alefa amin’ny tatatra dia manomboka mihatsara ny fahadiovana ary mandroso ny tanàna” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Zava-dehibe ny fahatontosan’ny ezaka ho an’ny fanadiovana izao, indrindra ny fiaraha-miasa tamin’ny kaominina. Anisan’ny endrika fampandrosoana ny tanàna ihany koa izany satria araka ny efa nampahafantarina ny rehetra dia hiverina tsy ho ela ny fiaran-dalamby ka mifameno tokoa izany ho fanatsara ny tanàna” hoy ny tomponandraikitra misahana ny asa ao amin’ny Somatrafer.
Endrika hitarafana ny fandrosoan’ny toerana na tanàna iray ny fahadiovana. Ny kaominina Ambohimanambola dia anisan’ny manao izany ho laharam-pahamehana, taratr’izany ny fanadiovana ny lalamby izao.
Manitra R.
