ActualitésTatitra

France : Misy karazany maro ny « belote »

Lalaon-karatra tena malaza ao France ny « belote ». Lalao iraisam-pirenena nefa izy io ka samy manana ny fiantsony azy ny firenena tsirairay. Ho an’ireo firenena francophone toy i Madagasikara, Tunisie, Algérie, Macédoine sns dia « belote » ihany no fiantso azy. Ao Angleterre kosa dia antsoina hoe « French belote » izany, « Schafkopf » ao Allemagne, « Vida » ao Grèce, « Pilotta » ao Chypre, « Bridge-Belotte » ao Russie sy Bulgarie, « Baloot » ao Arabie Saoudite, « Dloute » ao Corée du Nord ary « Bilette » ao Mauritanie.

Maro ihany kosa ireo firenena nanavao na nanova ny endriky ny filalaovana fototry ny « Belote ». Ho an’i Suisse, Autriche ary Allemagne atsimo izao dia « Jass » na « Chibre » no iantsoan’izy ireo izany, olona roa hatramin’ny enina no milalao azy miaraka amin’ny karatra miisa 36 mianga amin’ny 6 hatramin’ny As. Amin’io lalao io dia tsy voatery tapahana ny « atout » izay manova tanteraka ny lalao.

Eo ihany koa ny « Bazaar belote » ao Arménie izay mampiasa fambara tsy faheno amin’ny lalao mahazatra toy ny « trèfle 8 » na « dame carreau ». Misy ihay koa ny « Skat » ao Allemange izay tsy maintsy ampiasaina ny karatra « germanique » nentim-paharazana misy loko 4. Eo ihany koa ny « Whist beloté » ao Angleterre, maminavina any am-boalohany ny isa mety ho azony ny mpilalao tsirairay mandritra ny lalao ary ny « Tute » na « Touti » hita ao Afrique avaratra.

Laisser un commentaire