ActualitésTsidika

Antananarivo Renivohitra : Mampahatsiahy ny mpampiasa lalana rehetra ny lalàna sy ny fepetra mifehy ny fifamoivoizana

Namoaka naoty ny avy amin’ny fiadidina ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny Alatsinainy lasa teo, mahakasika ny lalàna sy ny fepetra mifehy fifamoivoizana entina hanatsarana ny fizotry ny fifamoivoizana sy ny fifampitsinjovana eto an-drenivohitra.

Misy ny lalàna mifehy sy mipetraka ho an’ny fiara fitateram-bahoaka, ny mpampiasa lalana rehetra toy ny sekoly sy ny sarety, ny mpandeha an-tongotra. « Tsy ekena ny fampidinana sy fampiakarana mpandeha ivelan’ireo toeram-piantsonana, hatramin’ny 8 ora alina mbola tokony hiasa ny taxi-be, ary ireo mpampiasa ny lalana sy ny fiantsonana dia tokony manaja ny fotoana napetraka hiantsonana isorohana ny fitohanana lava reny » hoy ny avy eo anivon’ny kaominina. « Vao alatsinainy izao dia efa mitohana izay tsy izy ny fifamoivoizana, misy ireo fiara kely mpanatitra mpianatra no tena tsy manaja ny hafa moa ireo taxi-be koa manao ny ataon’ny amin’ilay betsaka ny mpandeha amin’izao fidiran’ny mpianatra izao, tsy manaja ny arrêt tokony hijanonana » hoy i Rado mpandeha fiara iombonana.

Nanamafy ny avy eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa ho henjana ny sazy ho an’ireo fiara tratra tsy manara-dalàna. Ny fampatsiahivana tahaka izao moa no natao mba handrindrana ny fifamoivoizana.Fepetra izay heverina fa hanampy betsaka amin’ny fampihenena ny fitohanan’ny fiara.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire