ActualitésTsidika

Raharaha volamena 73,5 kg : Miandry ny fanapahankevitra avy any Afrique du Sud

Misy hatrany ny fifanarahana eo amin’ny fanjakana Malagasy sy ny fanjakana Afrika Atsimo mba ho fampodiana volamena 73.3 kilao any Afrika Atsimo eto Madagascar. Mitohy ihany koa ny fifampiresahana eo amin’ny tompon’andraikitra roa tonta mba ho fampodiana azy telo lahy voatazona any an-toerana nanondrana izany volamena izany an-tsokosoko sady voapanga nandika ny lalànan’ny fadin-tseranana sy ny hetra any an-toerana. Miara-miasa amin’izany ny ministeran’ny raharaham-bahiny sy ny ministeran’ny fitsarana ary ny ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharano-karena stratejika. Araka ny lalàna manankery any Afrique du Sud, tsy maintsy mandalo dingana maro ny raharaha. Ankehitriny dia miandry ny dinika izay ataon’ny fitsarana any antoerana ny amin’ny hanekena hampody azy telo lahy na tsia araka ny fangatahan’ny fanjakana Malagasy. Ny masoivohon’i Madagasikara any an-toerana no manaraka akaiky ireo dingina rehetra lalovina. Miandry arak’izany ny fanapahan-kevitra izay ho raisin’ny fitsarana Afrique du Sud.

Mampionona Rajaonson

Laisser un commentaire