Antsirabe : Nitokona ny mponina
Sahotaka tanteraka ny tao Antsirabe ny 6 may teo nanomboka tamin’ny 2 ora tolakandro. Ny tsy fankasitrahan’ireo mponina ny fepetra noraisina no anton’ny fitokonana. Araka ny fepetra noraisina mantsy dia tsy maintsy hakatona ny tsena rehetra manomboka ny 2 ora tolakandro. Fandravana fananana iombonana, fandravana fefy, tora-bato, doro-kodiarana, tabataba no tany an-toerana. Tsy nahatoitra ny mpanao fihetsiketsehana intsony ny mpitandro filaminana ka niala na dia efa niezaka nanaparitaka azy ireo tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny tifi-danitra aza. Tokony hajaina hatrany ny lamina izay napetraka ho fitsinjovana ny tsirairay ary tsy tokony hosimbaina ny fananana iombonana na eo aza ny fahasahiranana maro samihafa.Androany 7 may kosa no nanao fanambarana ny governora Vyvato Rakotovao fa miato ny fampiharana ny fihiboana amin’ny 2 ora tolakandro manerana ny faritra Vakinankaratra. Mihatra hatrany anefa ireo fepetra hafa napetraka hiadiana amin’ny valan’aretina Covid-19.
Mampionona Rajaonson
