Antsirabe : Voasambotra ireo ireo andian-jatovo nandrava foto-drafitrasa sy fananana iombonana ary fanan’olo-tsotra
Miisa 20 mahery ireo andian-jatovo nitarika ny fitokonana sady nanimba fananana iombonana tany Antsirabe ny 6 mey teo. Anisan’ny nosimbain’izy ireo tamin’izany ny Gymnase Vatofotsy misy ny CTC-19 any an-toerana. Nikasa ny hibata ny fandrinan’ny marary mihitsy aza ireto andian-jatovo ireto. Akoatra izany, nikasa ihany koa ireto olona ireto ny handrava ny université tao ihany koa fanimbana kioska sy fanana’olo-tsotra maro. Tamin’izay indrindra no nanao ny asany ny mpitandro filaminana tany an-toerana ka nisambotra ireo tovolahy 20 mahery ireto. Nisy tamin’izy ireo no nahatratrarana “cocktail Molotov”. Ho atao fanadiadiana izy ireo ary mbola karohina kosa ny namany sasany. Tsara ny manamarika fa tombotsoa iraisana ny foto-drafitrasa rehetra ka tokony ho fadiana ny fanimbana azy ireny.
Mampionona Rajaonson
