ActualitésTsidika

Tontolo Iainana : Zava-dehibe ny fiarovana ny ala honko

Zanaka honko miisa 101 500 no novolena tany Nosy Be, ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny rohivoahary ala honko. Natomboka ny 24 jolay hatramin’ny 26 jolay ny andro hamarihana izany andro iraisam-pirenena izany.

« Zava-dehibe ny fiarovana ny ala honko noho izy miaro ny morontsiraka tsy ho kahon’ny ranomasina. Toeram-piveloman’ireo hazandrano samihafa ihany ko aizy toy ny drakaka, ny makamba ary ny trondro » hoy ny Minisitry ny Tontolo Iainana, Vina Marie-Orléa. Mirefy 12 000 ha ny fambolena honko vita nanomboka ny volana janoary 2022 teo. Hitohy hatrany ny ezaka indrindra ho amin’ity andro fankalazana ity” hoy hatrany izy. Maherin’ny 390 000 ha ny velaran’ny ala honko manerana an’i Madagasikara.

I Nosy Be no manana velarana honko azo lazaina ho lehibe indrindra, izay mirefy 1 500ha. Tsindry maro anefa no mianjady amin’ireo ala honko ireo. Antony anaovana ireo karazana fanentanana rehetra hiarovana ny honko.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire