France : Lehilahy 48 no nosamborina nohon’ny raharaha « pédopornographie »
Nanatontosa hetsika lehibe nanafongorana ny « pédopornographie » ny polisin’i France ny herinandro lasa teo. Natao teo ambany fitarihan’ny OCRVP (Office central pour la répression des violences aux personnes) izany.
Lehilahy 48 no voasambotra nandritra io hetsika io, izay voarohirohy naka (télécharger) sy nijery sary sy horonantsary mamoafadin’ankizy avokoa. Eo anelanelan’ny 26 hatramin’ny 79 taona ireo olona voasambotra ireo raha ny tatitrin’ny manan-pahefana. Ahitana sokajin’olona rehetra ihany koa izany, manomboka any amin’ny tsy an’asa sy ny mpisotro ronono hatrany amin’ny olom-boafidy.
Ny fanadihadiana ataon’ny polisy miazo azy ireo kosa no ahafahana mamaritra raha mbola nanao fihetsika « pédophile » nandoza kokoa toy ny fanolanana sy ny herisetra ara-nofo ireo olona ireo.
