Australie : Lehihahy 22 taona tratra nitondra rongony tao Whitsundays
Lehilahy iray 22 taona no voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny raharaha fanondranana zava-mahadomelina tao aorian’ny fisiana andian-jiolahy tao amin’ny toeram-pialan-tsasatra tao Queensland. Nahitana fitanterana cocaïne, methamphetamine ary cannabis betsaka tao aorian’io fanafihana izay niseho io. Jiolahy 5 no hita teo amin’ny fidirana mankany amin’ny “Grande Barriere de Corail” ao Whitsundays ny alakamisy teo. Hita fa nitondra cannabis 22 kg izay mitentina 43 000 dolara izy ireo, miampy methamphetamine 42g sy cocaïne 89g araka ny nambaran’ny polisy ao Queensland. Voasambotra ilay lehilahy tao Airlie Beach, izay efa voarohirohy tamina heloka sivy samihafa, anisany tamin’izany ny famoahana sy fanondranana zava-mahadomelina. Ankoatra izay, voarohirohy amin’ny fitanàna fitaovam-piadina tsy ara_dalàna koa ity lehilahy ity. Hiakatra fitsarana anio zoma 07 may ity lehilahy 22 taona ity.
