ActualitésTsidika

Alaotra Mangoro : Tombanana ho 10 taonina ny lavanila hiditra amin’ireo tsena voaara-maso

Anisan’ireo faritra mpamokatra lavanila koa Alaotra Mangoro. Lavanila 10 taonina no andrasana eny amin’ny tsena voaara-maso amin’ity taona ity.

« Mitohy hatrany ny fidinana any amin’ny tsenan-davanila maitso ataon’ny ekipan’ny DRICC Alaotra Mangoro na dia eo aza ny fahasarotan’ny lalana izay tsy maintsy atao dia an-tongotra kilaometatra maro. Ny 31 jolay lasa teo dia tao amin’ny fokontany Tanambe Sahavaina, kaominina Andrebakely Avaratra, distrikan’Amparafaravola, no nisy ny tsena » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Varotra sy ny fanjifana. « Manaja hatrany ny vidy farany ambany 75 000 Ar isaky ny kilao ireo orinasa roa izay manangona ny vokatry ny tantsaha any an-toerana. Isany amin’izany ny orinasa Soa-Hari sy ny Orinasa Haritiana » hoy hatrany izy ireo.

Isan’ny manampy betsaka ny toe-karena eto aminstiak tokoa ity fambolena lavanila ity. Tsara hatrany ny hisian’ny mangarahara amin’ny fitantanana izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire