Ambohimanambola: Hiditra amin’ny andiany faharoa amin’ny fifantenana ireo tanora handrafitra ny ekipa kaominaly
Hiditra amin’ny andiany faharoa amin’ny fifantenana ireo tanora, mpilalao baolina kitra, handrafitra ny ekipa kaominaly amin’ity taona 2023 ity, ny ao amin’ny kaominina Ambohinambola. Amin’ny alahady 22 janoary ho avy izao no hanatanterahana izany, raha ny voalaza.
« Mila mivonona avokoa ireo tanora tia fanatanjahan-tena baolina kitra fa amin’ny alahady ho avy io no hanatanterahana ny fifantenana mpilalao, izay atao eny amin’ny kianja Vontovorona, manomboka amin’ny 9 ora maraina » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina.
“Anisan’ny mahaliana ny tanora avy eto an-toerana hatrany ny fifantenana tahaka izao. Maro moa ireo te handray anjara, indrindra amin’ny lalao fiadiana ny amboaran’ny tanàna. Mampiakatra ny lenta sy ny fahazai-manao izany” hoy i Ravo, mpilalao baolina kitra.
Raha tsiahivina, efa nisy ny fifantenana mpilalao andiany voalohany tamin’ity fifantenana mpilalao izay handrafitra ny ekipa kaominaly 2023 ity, tamin’ny faraparan’ny volana desambra teo. Tsy miova kosa ny fepetra amin’ny fandraisana anjara amin’izao andiany manaraka izao.
Manitra Ramanantsoa
