Tsidika

Tetikasa Produir : Ho vita amin’ny volana Oktobra ny trano voalohany

Ny tetikasa « Produir » dia tetikasam-panjakana hanorenana tanana vaovao etsy Andavamamba Antananarivo. Mirefy 6752m2 ny toerana hananganana ity tanàna vaovao ity ary trano miisa 29 no haorina. Vokatr’izany dia fianakaviana 87 isa no voatery alana amin’ny toerana misy azy ahafahana manadio ny lalan-drano C3. Ho fanombohana ny asa dia ny volana Aogositra ho avy izao no hop atsangana ny trano voalohany ary vinavinaina ho vita ny volana Oktobra 2023.

« Araka ny efa nampanantenaina dia tsy maintsy ho tafatsangana ny tanana vaovao ety Andavamamba. Ny tetikasa Produir dia tetikasa hanavao indray ny tanana ary koa hanome endrika tsara sy araka ny fenitra takian’ny tanan-dehibe » hoy ny tompon’andraikitra misahana ny tetikasa.

Maneho ny tsy fankasitrahany ihany koa etsy an-daniny ireo fianakaviana izay voatery hiala amin’ny toeram-ponenany vokatry ny fanatanterahana ity tetikasa ity. « Ho fananganana izany tanana vaovao izany dia izahay no voatery hiala amin’ny tanana izay efa nonenanay an-taonanay maro. Azonay antoka anefa fa raha misy ny fahavitan’izany tanana sy trano vaovao izany dia tsy ho anisany hisitraka izany akory ny madinika toa anay. Ambaranay noho izany fa mahatsiaro ho voahilika sy atao tsinontsinona foana izahay madinika » hoy i Solo, raim-pianakaviana.

Toy ny Tranga maro eto Antananarivo dia misy foana ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka eny ifotony rehefa misy tetikasa tanterahina toy izao. Samy miziriziry amin’ny heviny na ny mpitondra izay manana ny fahefana na ireo vahoaka izay nanajary ny tany. Iza ary no fototrin’ny olana, ny vahoaka tsy manaiky ny lamina vaovao sa ny mpitondra hametraka lamina vaovao? Ny angatahan’ny maro sy heverina ho marimaritra iraisana dia ny hisian’ny fandraisana an-tanana ara-drariny ireo mponina voakasiky ny tetikasa.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire