ActualitésTatitra

Allemagne : Nandany 146 000 Euros mba hitombona 14 santimetatra i Theresia Fischer

Mpilatro avy ao Allamange i Theresia Fischer, 31 taona. Nandray anjara tamin’ny Germany’s Next Top Model 2019 ny tenany saingy nisy nanakora fa fohy loatra ka nanapa-kevitra ny hampitombo ny halavany. Marihana nefa fa efa nirefy 1,70 metatra ny tenany tamin’izany.

Manoloana ny tranga kosa dia nandany 146 000 Euros (740 tapitrisa Ar) tamin’ny fandidiana azy mba hitombo refy i Theresia Fischer.  Fandidiana roa navesatra sy nampidi-doza no natao taminy. Naharitra 6 taona ny dingana tamin’izany, tamin’ny taona 2016 ny fandidiana voalohany ary tamin’ny 2022 ny fandidiana faharoa. Tao anatin’izany kosa dia tsy maintsy notapahana ny taolan-dranjon’i Theresia Fischer ary nametrahana « tiges télescopiques ».

Izany no nahafan’ny taolan’ny tongony nitombo tsikelikely, milimetatra isaky ny milimetatra indray nandra-pikambana ny taona ho azy. Nahazoany 14 santimetatra kosa i Theresia Fischer tao anatin’izany faharetany izany ary 1,84 metatra izy ankehitriny.

Laisser un commentaire