Ambohimangakely: Miisa 125 ireo fianakavina nafindra tamin’ny fonenany
Taorian’ny fijerena ifotony ny zava-misy teny amin’ny fokontany Tsarahasina sy Ikianja, kaominina Ambohimangakely, mahakasika ireo vato mitatao ny mponina ao an-toerana, dia nisoro avy hatrany tamin’ny fanalana ireo vato be ny tomponandraikitra ao an-toerana.
“Natao indrindra izao fanalana ny vato ety an-toerana izao mba hiarovana ny mponina mipetraka eo amin’ny manodidina sy ho fisorohana ny loza samihafa mety ho ateran’ireo vato lehibe ireo. Mandray an-tanana amin’ny fandaminana rehetra avokoa ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny mandritra izany” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Miisa 125 eo ho eo ireo fianakaviana voatery nafindra mandritra ny fotoana hanalana ireo vato ireo. Ny kaominina sy ny tomponandraikitra avy amin’ny BNGRC (Bureau National de gestion des risques et des catastrophes) kosa no mifarimbona sy miara-mientana amin’ny fanomezan-tanana azy ireo » hoy hatrany ny fanazavana.
Vato lehibe mitatao miisa 2 ary milanja 2200 taonina moa ity ho potehina ao an-toerana ity. Haharitra eo amin’ny telo herinandro eo kosa ny fanatanterahana izany asa izany, raha ny voalaza hatrany. Izy ity moa izay tsy hampiasana ireo fitaovana fanapoahana vato, hisorohana ny mety ho fiantraikan’ny fipitahan’ny vato eny amin’ny manodidina.
Manitra R.
